<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Hianao, ry Ray, no mibaiko
 Hanaovanay ny asanao,
 Ka ny handà e mba tsy haiko,
 Na sarotra aza ny atao.
 Ny fitoriana lalaina,
 Natomboky ny mpianatrao
 Dia tsy azo atao very maina,
 Fa he, tohizanay izao.

[V2]
 Fa mbola adidin'ny mazava
 Mitondra ny fanala izao,
 Hiainga, handeha hampisava
 Ny aizina ao an-ala ao.
 Ireo rahalahy sy rahavavy
 Dia be tsy mahalala Anao
 Koa indro, Tompo, aho avy
 Hitory ny Anaranao.

[V3]
 Kanefa tsy ny eto ihany
 No anirahanao anay,
 Fa na ny any lavitra any
 Dia samy mbola adidinay.
 Hiezaka, hikely aina,
 Hamafy koa ny teninao
 Izay hany tena mofon'aina,
 Ho an'izao tontolo izao.</lyrics>
<title>Hianao ry Ray no mibaiko FFPM350</title>
<hymn_number>350</hymn_number>
<author>P. Ramilison</author>
</song>